Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; Izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray.
[1 Jaona 2.23]

Sokajy samihafa

  • Fanolorana
  • Vaovao-piangonana
  • Tantaran'ny Fiangonana
  • Sary
  • Sary mihetsika
  • Azo vakiana
  • Azo henoina
  • Vavaka
  • Fihirana
  • Fifandraisana
  • FPMA sy rohy samihafa

Sampana

  • Sekoly alahady
  • Antoko Mpihira
  • STK

Fiangonana manaraka


Alahady 28 Febroary
@ 2 ora sy sasany
Tolak'andro

Radio Vatsy


 

Vaovao-piangonana
Vaovao avy eto amin'ny Tafo

- Fanompoam-pivavahana manaraka.

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Mampandreha antsika fa ny fanompoam-pivavahana manaraka dia hatao ny Alahady
28 Febroary ho avy izao, ka ny fotoana dia manomboka amin'ny 2 ora sy sasany tolak'andro, noho ny anton'ny "couvre feu".
Isika rehetra dia asaina hanatrika izany fanompoam-pivavahana izany ary miangavy mba hampilaza ireo namana sy tapaka.
Ho an'izay tsy afaka mankany an-toerana dia azony atao ny manaraka ny fanompoam-pivavahana mivantana amin'ny alalan'ny "Zoom", ny "code" dia omena antsika amin'ny "WhatsApp".
Adiresy: Eglise Baptiste de Tours
                  156, rue Lakanal
                  37000 Tours

Ny birao FPMA Tours.

 .....................................................................................................................................................................

- Rakitra en ligne

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Mampandreha antsika Mpiangona eto amin'ny tafo Tours fa azontsika atao ny manao ny rakitra amin'ny alalan'ny "lien" izay ho hitantsika eto ambany.
Marihana fa tsy maintsy fenoana daholo ny "champs" rehetra ahazoana mandefa ny rakitra.
      Rakitra en ligne "Helloasso"
Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
Ny Birao FPMA Tours.

 .....................................................................................................................................................................

- Information Coronavirus.

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Mampandreha antsika Mpiangona fa ny Fédération ny Eglise Baptiste dia nanapankevitra fa hanidy ny Trano Fiangonana mandritra ny fotoana tsy voafetra noho ny coronavirus.
Ho lazaina amintsika eo ihany rehefa misy vaovao, na rehefa mivoha indray ny Trano Fiangonana.
Isika rehetra dia hangatahina mba hitondra am-bavaka ny toe-javatra misy mba tsy ho haharitra ela loatra.
Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
Ny Birao FPMA Tours.

 .....................................................................................................................................................................

- Birao vaovao.

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Nohon'ny fitahian'ny Tompo dia vita soa aman-tsara tamin'ny alahady 9 desambra lasa teo ny fifidianana ny birao vaovao izay marihina fa maharitra 2 taona ny fanatontosana azy.
Ireto avy ary no lany tamin'ny fifidianana.
     - RAKOTOMALALA RASOANAIVO.
     - RAKOTOMALALA Jackie.
     - RATSIMANDRESY Edmond.
     - RAKOTOSON Liva.
     - MARTY Narindra.
     - RAOELIARIVONY Thierry.
     - RASIDIMANANA Landisoa.
Dia ny Tompo anie hanome azy ireo fahasalamana, fahalalana, fanavaozan-tsaina, ary fitiavana mba ahazoany manatanteraka tsara izany adidy sy asa fanompoana lehibe izany.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.
Ny birao FPMA Tours.

 ......................................................................................................................................................................
Vaovao avy any ivelany

- Zaikabem-paritany 2018

Ry Havana malala ao amin'ny Tompo,
Ny Zaikabem-paritany Fafan dia hatao ny 27, 28 Octobra ho avy izao.
Ireto avy ny antsipirihany azo omena antsika mikasika izany Zaikabe izany:
    Adresse : MFR « Les Rabinardières »
                      35760 SAINT GREGOIRE
    Plan d'accès: Jereo eto
    Programme: Jereo eto
Ny birao FPMA Tours.

 .....................................................................................................................................................................

- Hafatra Noely (Messages de Noël).

Nosoratan'i Dr Jean A. RAVALITERA, Mpitandrina Filohan’ny FPMA.

html

 .....................................................................................................................................................................

- Synoda lehibe 2016.

Ry Havana malala ao amin'ny Tompo.
Ho ampitomboina mandrakariva aminareo anie ny fahasoavan'ny Jeso Kristy Lohan'ny Fiangonana.
« Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; » (Hebreo 10:24).
"… olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy” ( Gal 1:10).
Ny Synoda lehibe dia hatao ny 11, 12 ary 13 Novambra ho avy izao.
Ireto avy ny antsipirihany azo omena antsika mikasika izany Synoda lehibe izany:
    Adresse : Maison Diocésaine - 174 r Léopold Dussart
                                                                         59590 RAISMES

Ny fisoratana anarana dia efa misokatra hatramin'ny 10 Oktobra @ 23h59.
http://synoda.fpmalille.net
Ny birao FPMA Tours.

 .....................................................................................................................................................................

- Hafatra Pentekostra (Messages de Pentecôte).

Nosoratan'i Dr Jean A. RAVALITERA, Mpitandrina Filohan’ny FPMA.

html

 .....................................................................................................................................................................

- Fanamafisana ny Alahadin'ny Fiaraha-miasan'ny Mpitandrina.

Nosoratan'i Dr Jean A. RAVALITERA, Mpitandrina Filohan’ny FPMA.

html

 .....................................................................................................................................................................

- Fandaminana vaovao ireo masoivohon'ny birao foibe isam-paritany.

Nosoratan'i Dr Jean A. RAVALITERA, Mpitandrina Filohan’ny FPMA.

html

 .....................................................................................................................................................................
Copyright © 2011 Fpma Tours