Ny Fiangonana fpma tafo Tours dia anisan'ny tafo enina ao amin'ny faritany afovoany andrefana eto Frantsa. Ny faritany afovoany andrefana moa dia ireto avy : Paris, Rennes, Orleans, Poitiers, Athis Fanatenana, ary Tours.
Tamin'ny Paska 1984 no nisian'ny fitaom-pivavahana voalohany teto Tours, ary tamin'izany dia ny Pasitera Ralaison Gabriel no nitarika ny fanompoam-pivavahana, ary tao amin'ny ERF 32 rue de la préfecture Tours no nanaovana izany fanompoam-pivavahana voalohany izany.
Nisy toerana telo no nanaovana ny fitaom-pivavahana teto Tours, ka anisan'izany :
- Eglise réformée de France 32 rue de la Préfecture.
- 5 rue de la Bazoche.
- Eglise Baptiste 156 rue Lakanal.
ka ny Eglise Batiste 156 rue Lakanal no anaovana ny fanompoam-pivavahana ankehitriny.
Nisy Pasitera maromaro koa no nitantana na nandray andraikitra teto amin'ny fpma Tours, ka anisan'izany:
- Pasitera Ralaison Gabriel
- Pasitera Rabenoro Aubert
- Pasitera Rakotoarimanana Victor
- Pasitera Rasoava Patrick
- Pasitera Rasolondraibe Seth
- Pasitera Raobinarison Solohery
- Pasitera Morvant Lisiarinivo
- Pasitera Raharijaona Marie-Angèle
- Pasitera Razafimahatratra Marcellin
- Pasitera Rakotonarivo Andriamanohisoa
- Pasitera Rasidimanana Benoule
- Pasitera Ravalitera Jean
- Pasitera Raobinarison Hanitra
- Pasitera Razafimbololona Harizaka Willy
- Pasitera Randriambolaharisoa Fara Samuelle
Ka ny Pasitera Randriambolaharisoa Fara Samuelle ankehitriny no mitantana ny fiangonana.
Tamin'ny taona 2009 dia feno 25 taona ny fiangonana fpma tafo Tours ary tamin'izany dia nisy fankalazana lehibe nataon'ny fiangonana.
Tamin'ny asabotsy 11 sy alahady 12 octobra 2009 no nankalazana izany ary nisy ny fanompoam-pivavahana, sakafo-pirahalahiana, dinika, rakitra sy tantaran'ny fpma Tours.
Ny teny faneva tamin'izany moa dia izao : "Izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an'i Jehovah izahay" (Josoa 24:15).
Ny Diakona amin'izao fotoana izao eto amin'ny tafo Tours dia ireto avy:
- Rakotomalala Rasoanaivo
- Ratsimandresy Edmond
- Rajoelina andrianirina
- Rakotoson-Rakotomalala Jackie
- Ralijemisa-Rakotoson Olivarisoa
Ho anao izay mandalo eto Tours na koa ho an'izay eto an-toerana dia aza misalasala mitsidika ny fiangonana.
Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitra.