Ny sampana Antoko Mpihira FPMA Tours dia efa nitsangana ary niroborobo tokoa taloha, nisy anefa ny fotoana nijanonany noho ny antony maro samihafa.
Nohon'ny Fitahian'ny Tompo dia niverina indray ny sampana amin'izao fotoana izao ary faniriana tokoa ny hitohizany mandrakariva.
Ny tanjona amin'izany moa dia ny fiderana an'Andriamanitra sy ny asa fitoriana ny Filazantsara an-kira.
"Mihirà fihiram-baovao, ry tany rehetra. Mihirà ho an’I Jehovah, misaora ny anarany. Lazao isan’andro isan’andro ny famonjeny mahafaly.” [Salamo 96 1-2]
Ny sampana Antoko Mpihira FPMA Tours dia manao famerenan-kira indroa na intelo isam-bolana any am-piangonana na koa any antokatranon'ny tsirairay avy.
Miezaka koa ny sampana hifandray sy hifanatona ary hiarahiasa amin’ireo Sampana hafa avy any ivelany.
Ny filohan'ny sampana Antoko Mpihira amin'izao fotoana izao dia Atoa Rambeloson Josoa.
Misaotra azy ny fiangonana nohon'ny finiavany sy fahazotoany manantanteraka ny andraikiny eo amin'ny sampana.
Raha misy fanontaniana tianao apetraka na soso-kevitra tianao aroso dia azonao atao ny mifandray aminy amin'ny alalan'ny mailaka eto ambany.
Ny sampana Antoko Mpihira dia handray anjara amin'ny "Concerts de Noël" izany hiarahana amin'ny AMF FAFAN.
Ny Andro sy ny fandaharana atao amin'ireo fotoana ireo dia ireto avy:
1-Samedi 09 Décembre 2023: Concert à POITIERS
1-Samedi 16 Décembre 2023: Concert à NANTES
3-Samedi 17 Décembre 2023: Concert à RENNES
Dia mirary soa lalandava ho antsika rehetra.
Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitra.