Nouvelles de l'église

Vaovao avy eto amin'ny tafo.

04 Novambra 2025

Fiangonana manaraka.

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Fifaliana ny manambara antsika fa ny fanompoam-pivavahana manaraka dia ny alahady 30 Novambra ho avy izao, ka ny fotoana dia manomboka amin'ny 10 ora sy sasany maraina.
Isika rehetra dia asaina hanatrika izany fotoana izany ary miangavy mba hampilaza ireo namana sy tapaka.
Adiresy: Eglise Protestante de Tours
                35, rue Ledouble.
                37000 Tours

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.
Ny birao FPMA Tours.

 .....................................................................................................................................................................................................................................................................................................................................................
25 Janoary 2025

Rakitra en ligne.

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Mampandreha antsika Mpiangona eto amin'ny tafo Tours fa azontsika atao ny manao ny rakitra amin'ny alalan'ny "lien" izay ho hitantsika eto ambany.
Marihana fa tsy maintsy fenoana daholo ny "champs" rehetra ahazoana mandefa ny rakitra.

                        Helloasso

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.
Ny birao FPMA Tours.

 .....................................................................................................................................................................................................................................................................................................................................................
24 Janoary 2025

Birao vaovao.

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Nohon'ny fitahian'ny Tompo dia vita soa aman-tsara tamin'ny alahady 24 Janoary lasa teo ny fifidianana ny birao vaovao izay marihina fa maharitra 2 taona ny fanatontosana azy.
Ireto avy ary no lany tamin'ny fifidianana.
                - RAKOTOMALALA RASOANAIVO.
                - RATSIMANDRESY Edmond.
                - RAKOTOSON Liva.
                - BARRAGAN Anja.
                - ANDRIANTSOA Stephan.
Dia ny Tompo anie hanome azy ireo fahasalamana, fahalalana, fanavaozan-tsaina, ary fitiavana mba ahazoany manatanteraka tsara izany adidy sy asa fanompoana lehibe izany..
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.
Ny birao FPMA Tours.

 .....................................................................................................................................................................................................................................................................................................................................................

35, rue Ledouble

37000, Tours