Ry havana malala, ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.[Jaona 14:27]
Izany tenin'Andriamanitra izany no entina hiarahabana anao izay tonga mitsidika an'ity tranonkalan'ny Fpma tafo Tours ity. Adiresin'ny fiangonana : 35 rue Ledouble, 32 rue de la Préfecture - 37000 Tours Azonao jerena eto ambany ny planina ahazaoanao mandeha any amin'io toerana io.
Dia aza misalasala ary ho an'izay rehetra eto an-toerana na koa ho an'izay mandalo, hitsidika sy hamangy ny fiangonana. Mpitandrina : Pasitera Fara Samuelle Randriambolaharisoa
Toy izao avy fandaharana isam-bolana eto amin'ny fiangonana tafo Tours:
- Ny alahady voalohany dia tsy misy Fanompoam-pivavahana fa Fianaran-kira.
- Ny alahady faharoa dia misy Fanompoam-pivavahana, ary misy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
- Ny alahady fahatelo dia tsy misy Fanompoam-pivavahana fa Fianarana Baiboly.
- Ny alahady fahaefatra dia misy Fanompoam-pivavahana, ary tsy misy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Oran' ny fanompoam-pivavahana: amin'ny 10 ora sy sasany maraina.
Fifaliana ny manambara antsika fa ny zaikabem-paritany FAFAN 2025 dia hatao ny 26-27-28 Septambra ho avy izao ka ny tafo Tours no mandray izany zaikabe izany....
Lire la suiteFaly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.Fifaliana ny manambara antsika fa ny fanompoam-pivavahana manaraka dia ny alahady 28 Septambra ho avy izao...
Lire la suiteMampandreha antsika Mpiangona eto amin'ny tafo Tours fa azontsika atao ny manao ny rakitra amin'ny alalan'ny "lien" izay ho hitantsika eto ambany...
Lire la suiteNy sampana Antoko Mpihira dia handray anjara amin'ny "Concerts de Noël" izany hiarahana amin'ny AMF FAFAN..
Lire la suiteChers Parents, Chers Frères et sœurs en Christ. La STK anime son culte de l’année le dimanche 30 mars 2025 à 15H30 au 35 rue du Dr Ledouble.
Lire la suiteDignissimos asperiores vitae velit veniam totam fuga molestias accusamus alias autem provident. Odit ab aliquam dolor eius.
Lire la suite